<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Darwal</author>
<hymn_number>207</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Mamy ny teninao,
 Jehovah Masina !
 Sy to ny teninao
 Tsy azo ovana :
 Ny lanitra ho levona,
 Fa tsy simba ny teninao.

[V3]
 Madio ny teninao,
 Ka tsara indrindra,
 Dia fahendrena
 Ho an'ny adala :
 Mahafaka ny maizina
 Ka mitondra ny mazava.

[V4]
 Soa ny teninao,
 Mahatsara ny fo,
 Fa ao no hitanay
 Misy Mpanavotra ;
 Jeso, Loharanon'aina,
 Mahasasa ny meloka.

[V5]
 Irin'ny foko koa
 Ny teny masina
 Noho ny harena
 Na fananana be :
 Ny teninao no tanako
 Ho lovako mandrakizay.</lyrics>
<title>Mamy ny teninao FFPM207</title>
</song>